Fitodika mpampanao
Ny fitodika mpampanao na fitodika mamoatra dia fitodiky ny fehezanteny misy lazaina manondro olona na zavatra manosika na maniraka na mahatonga olona na zavatra hafa hanatanteraka asa (na haneho toetra), na zavatra izay tsy inona fa antony ahataterahan' ny asa (na toetra) iray; atao hoe "lazaina mpampanao". Ny matoanteny dia miseho amin' ny endrika tsy mitovy amin' ny matoantenin' ny mpanao fa amin' ny endrika hafa atao hoe "matoantenin' ny mpampanao".
Amin' ny fiteny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Amin' ny fiteny malagasy, ny matoantenin' ny mpampanao dia saika hitovy amin' ny matoantenin' ny mpanao fa ahitana ny tsofoka -amp-.
Ohatra:
- Mampiadry omby an-dRabe i Koto (mpampanao) / Miandry omby Rabe (mpanao).
Amin' ny fiteny frantsay
[hanova | hanova ny fango]Ny fiteny frantsay dia tsy manana matoanten' ny mpampanao amin' ny endrika manokana fa mampiasa ny matoanteny faire ("manao") na hafa hatao mpanampy.
Ohatra:
- Je lui ai fait repeindre le mur. ("Nampandokoiko azy indray ny rindrina").
Amin' ny fiteny anglisy
[hanova | hanova ny fango]Ny fiteny anglisy koa dia tsy manana matoanteny amin' ny endrika manokana fa mampiasa ny matoanteny make (ara-bakiteny: "manao") sy have (ara-bakiteny: "manana") sy let (ara-bakiteny: "mamela") sy hafa hatao mpanampy.
Ohatra:
- She made me eat the soup. "Nampihinaniny ahy ilay lasopy".
- I had John close the window. "Nampanidiko an' i John ny varavaran-kely".