Fiteny tiorka taloha

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny tiorka taloha na fiteny torkika taloha dia fiteny torkika voaporofo fisiana tamin' ny taonjato faha-7 sy faha-13 tamin' ny alalan’ ny sora-tsokitra sy sora-tanana nataon' ny Kôktiorka na Goktiorka (Köktürk na Göktürk) sy ny Oigora (Uyghur). Ity fiteny ity dia ao amin' ny sampana atsinanana amin' ny fiteny torkika, fantatra amin' ny anarana hoe fiteny torkika siberiana ary sady tsy razamben' ny fiteny tiorkan' i  Torkia (izay an' ny sampana ôgoza), no tsy razamben' ny fiteny oigora môderina (izay avy amin' ny fiteny tsagatay).

Ny abidin' i Orkhon no tena nanoratana azy io. Noho ny tsangambato nampiasana an' ity soratra ity dia azo atao ny mamerina ny mety ho endriky ny fiteny tiorka taloha amin' ny ankapobeny.