Fiteny sondaney

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny sondaney dia fiteny iray ao amin' ny sampana malaiô-pôlinezianan' ireo fiteny aostrôneziana. Ampiasan' ny mpiteny miisa 40 tapitrisa eo ho eo io fiteny io. Izy no fitenim-paritra (bahasa daerah) misongadina indrindra aorian' ny fiteny javaney any Indônezia. Miteny izany ny mponina any amin' ny tapany lehibe amin' ny faritanin' i Java Andrefana sy ny faritanin' i Banten, any amin' ny ampahatelony andrefan' i Java; ka 15 % amin' ny fitambaran' ny mponina ao Indônezia izy ireo.