Fiteny semitika avaratra-andrefana
Apparence
Ny fiteny semitika avaratra-andrefana dia sampana jeografikan' ny fiteny semitika izay hita any avaratra andrefan' ny amin' ny faritr' i Azia Andrefana, izay sampan' ny fiteny semitika andrefana. Ny fiteny semitika avaratra-andrefana dia manisy tovona rehefa hanao anarana milaza maro.
Ireto avy ireo fiteny semitika avaratra-andrefana: ny fiteny amorita (na amoreana), ny fiteny ogaritika, ireo fiteny tao Kanaana (dia ny fiteny fenisiana, ny fiteny ponika, ny fiteny hebreo, ny fiteny amonita, ny fiteny moabita, ny fiteny edomita, izay samy atao hoe fiteny kanaanita) ary ny fiteny arameana.