Fiteny moabita

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny fiteny moabita dia fiteny tao Kanaana izay notenena tao Moaba (mifanandrify amin'i Jordania afovoany andrefana) tamin'ny fiandohan'ny taonarivo voalohany tal. J.K. izay isan'ny fiteny semitika. Nosoratana tamin'ny karazana abidy fenisiana (na foinikiana) ny fiteny moabita.

Ny mampiavaka ny fiteny moabita amin'ireo fiteny kanaanita hafa dia ny fampiasana ny marika milaza maro -în fa tsy -îm (ohatra, mlkn "mpanjaka (maro)" andikana ny məlākîm hebreo), ka sahala amin'ny fiteny aramaika (na arameana) sy ny fiteny arabo izany. Ao koa ny fisian'ny mariky ny kambavy hoe -at na -ah fa tsy ny -āh fotsiny ao amin'ny fiteny hebreo (ohatra, qiryat na qiryah, "tanàna", fa tsy qiryāh an'ny fiteny hebreon'ny Baiboly).

Na dia misy fahasamihafana amin'ny fiteny hebreo ny fiteny moabita dia tsy hafa fa ny tarehintsoratra (abidy) nampiasaina tamin'ny fanoratana ny fiteny hebreo ihany no nanoratana ny fiteny moabita tamin'ny fotoana nanombohan'ny fisarahany. Ny manam-pahaozana sasany dia mihevitra fa karazan'ny fiteny hebreon'ny Baiboly ihany ny fiteny moabita, sahala amin'ny fiteny kanaanita maro ao amin'ny vondrom-piteny semitika avaratra andrefana (ny fiteny amonita sy ny fiteny edomita indrindraindrindra).