Fiteny roonda

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny roonda (ruund na ruwund) dia fiteny banto tenenin' ny vahoaka Londa miisa 250 000 mahery ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô sy ao Angôla. Fantatra ihany koa amin' ny hoe fiteny londa avaratra na fiteny oroonda (uruund) ity fiteny ity. Tsy tokony hafangaro amin' ny fiteny kirondy ao Borondy ity fiteny ity.

Tena tsy fahita firy amin' ny fiteny banto hafa ny renifeo famaranana sy ny rafi-janapeo vitsy singa, izay ahitana ny /e/ sy ny /o/ lasa [i] sy [a] fohy avy, ka mamela zanapeo fohy miisa telo fotsiny. Ny endri-javatra mahaliana iray hafa amin' ny fiteny roonda dia ny feon' ny prôtô-banto izay nivadika, ka ny avo dia lasa iva ary ny iva lasa avo (raha ampitahaina amin' ny fiteny tsiloba mifandraika amin' izany). Noho izany, amin' ity fiteny ity dia iva ny vaninteny misy tsindrimpeo ary avo ny vaninteny tsy misy tsindrimpeo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]