Fiteny kirondy

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny kirondy dia fiteny banto tenenin' ny mponina ao Borondy (11 045 000), any amin' ireo faritra mifanila amin' i Borondy ao Roanda (576 000), ao Tanzania (512 000), ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô ary ao Oganda (246 000). Mitotaly 12 500 000 ny mpiteny kirondy. Ny 97 %n' ny Borondey no miteny kirondy.

Ny fiteny kirondy dia manakaiky ny fiteny kiniaroanda izay tenenina indrindra ao Roanda, sy ny fiteny giha tenenina ao amin' ny tapany andrefan' i Tanzania. Ny Hoto sy ny Totsy ary ny Toà ao Borondy dia samy miteny kirondy avokoa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]