Fiteny lovita

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny lovita na fiteny loviana dia fiteny anatôliana mifandray amin' ny fiteny hitita-nesita sy amin' ny fiteny palaita. Tany amin' ny faritra atsimo amin' i Anatôlia no nitenenana azy io tamin' ny taonarivo faha-2 tal. J.K. Tafavoaka velona tamin’ ny fianjeran’ ny Empira Hitita izy io ary angamba niteraka ny fiteny miliana sy ny fiteny likiana ary ny fiteny lidiana. Tsy toa ny fiteny hitita-nesita sy ny fiteny palaita izy, fa tsy nandray zavatra firy avy amin’ ny fiteny haty. Mety ho fitenin' i Trôia ara-tantara ny fiteny loviana.