Fiteny livôniana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny livôniana na fiteny liva dia fiteny ao amin' ny sampana fenikan' ny fianakaviam-piteny finô-ogriana. Be mpampiasa tany Livônia io fiteny io nefa lasa fiteny maty izy ankehitriny. Nitovitovy amin' ny fiteny estôniana sy makaiky ny fiteny finoà ny fiteny livôniana. Maty tany Kanada teo amin' ny faha-103 taonany, tamin' ny 2 Jona 2013, i Grizelda Kristiņa, izay Livôniana farany niteny livôniana. Livôniana vitsivitsy no mianatra na nianatra ilay fiteny mba hamelomana azy indray na dia tsy matetika aza ny fampiasana azy. Ny fiteny livôniana dia ampianarina any amin' ny oniversite any Letônia sy any Estônia ary any Finlandy, izay mampitombo isan-taona ny isan' ny mpiteny livôniana (izay manao azy ho fiteny faharoa).