Fiteny haida

Avy amin'i Wikipedia
Faritra misy ny mpiteny haida

Ny fiteny haida no fitenin' ny vahoaka Haida, mponina any amin' ny morontsiraka andrefan' i Amerika Avaratra. Misy renifeo enina amby efapolo, fara fahakeliny, sy zanatsoratra telo ihany ny ao amin' io fiteny io. Sokajina ao amin' ny fianakaviam-piteny na-dene izy io, saingy heverina ho manirery ihany koa. Atao hoe Xaat Kíl na X̲aadas Kíl na X̲aayda Kil izy amin' ny teny haida. Fiteny tena atahorana hanjavona izy io, satria tsy misy afa-tsy olona latsaky ny zato no mampiasa azy, izay matetika mihoatra ny 70 taona.

Miezaka mamelona indray ny fampiasana ny fiteniny ny Haida. Ao Skidegate, mivory isan' andro ny be taona mba hiasa amin' ny fitenim-paritr' i Skidegate. Efa namoaka andian-dahapeo maromaro izy ireo. Ao Masset, ny vondrona miasa dia tanora kokoa, ary miasa mba hahazoana antoka ny haha tafiditra ao amin' ny fiainana andavanandro ny tenim-paritr' i Masset.

Tany Alaska dia namorona vohikala ahitana fitaovam-pitenenana sy firaketana ny fitenim-paritra kaigany ilay vondrom-piarahamonina. Fanampin' izany, manao ezaka ny Haida amin' ny fampitaovana amin' ny handraisam-peo ny fiteniny.

Araka ny Canada Statistics tamin' ny taona 2021 dia ny fiteny haida dia fitenin' ny olona 90 any Kanada.