Fiteny arameana atsinanana
Ny fiteny arameana atsinanana dia andiana fitenim-paritra nivoatra avy amin' ny karazan' ny fiteny arameana napiasaina tany amin' ny faritr' i Mesôpôtamia (any Iràka ankehitriny, any amin'ny ilany atsimo-atsinanan' i Torkia ary any amin' ny ampahany amin' ny ilany avaratra-atsinanan' i Siria) ary nipaka hatrany amin' ny tapany avaratra amin' i Siria sy atsinanana amin' i Arabia ary avaratra-andrefana amin' i Iràna.
Mifanohitra amin' ny karazan' ny fiteny arameana andrefana izay hita indrindra any amin' ny ilany atsimo amin' Ampiposahana, izay mahafaoka ny ampahany be amin' ny ilany andrefana amin' i Siria sy Palestina ankehitriny. Asiriana ny ankamaroan' ny mpampiasa ireo fiteny arameana atsinanana ireo, na dia misy Jiosy Mitsrahy sy Mandeana vitsy anisa aza no miteny karazany vavao amin' ny fiteny arameana atsinanana.