Fiteny arameana vaovao andrefana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny arameana andrefana vaovao)

Ny fiteny arameana vaovao andrefana na fiteny neô-arameana andrefana, izay atao hoe fiteny ma'alola na fiteny ma'aloleana no hany taranaky ny sampana andrefana amin' ny fiteny arameana. Ny sasany amin' ny mponin' ny tanàna telo any Siria no miteny azy: i Maaloula (amin' ny teny arabo: معلولا), i Bakh`a (amin' ny teny arabo: بخعة) ary i Jubb Adin (amin' ny teny arabo: جبّعدين), 60 km eo ho eo avaratra-atsinanan' i Damaskôsy.

Manodidina ny 21 700 eo ho eo ny isan' ny mpiteny. Samy manana ny fomba fitenenany io fiteny io ny tanàna tsirairay. Ny an' i Bakh'a no tranainy indrindra, satria vitsy ny fiantraikan' ny fiteny arabo ao aminy, tsy toy ny an'i Jub'adin, izay onenan' ny Mozilmana. Ny fiteny ma'aloleana no hany karazan' ny fiteny arameana vaovao ampiasain' ny Mozilmana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]