Fiteny algônkina

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny algônkina, antsoina koa hoe fiteny anisinabemôoina, dia fitenim-paritry ny fiteny ôjiboe ao amin' ny sampana afovoan' ny fianakaviam-piteny algônkiana. Ny vahoaka Algônkina any Québec sy Ontario no miteny izany. Ny fiteny algônkina koa dia fitenim-paritra antsoina matetika hoe anisinabemôoina, na dia manondro ny fiteny ôjiboe izany teny izany. Ao amin' ny vondrona tompotany isan-karazany dia mifandray tsy tapaka amin' ny fiteny frantsay sy anglisy ny fiteny algônkina, ary ny ampahefatry ny vahoaka Algônkina ihany no mbola miteny izany.