Fiteny ôkinaoaiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny ôkinaoainana dia fiteny tetenina any Japana, ao amin' ny nosy Okinawa sy amin' ny nosy maro toa an' i Kerama, i Kumejima, i Tonaki, i Aguni, ary ny amin' ny tangoro-nosy Daitō any atsinanana. Ny fiteny ôkinaoaiana dia tsy azo lazaina ho fitenim-paritry ny fiteny japôney fa sampana misaraka amin' ny vondrom-piteny japônika izay tetenina ao amin' ny faritr' i Okinawa, izay samy hafa tanteraka amin' ny fiteny japôney tetenina ao amin' ireo nosy Kyūshū, Honshū, Shikoku ary Hokkaidō. Ao amin' ny vondrom-piteny roikio, izay mpihavana amin' ny fiteny japôney, no misy ny fiteny ôkinaoainana. Miseho amin' ny endri-pitenim-paritra maro ny fiteny ôkinaoaina, ka isan' izany ny fiteny ôkinaoaiana sory izay nampanarahim-penitra tamin' ny andron' ny fanjaka-mpanjaka Ryūkyū, tamin' ny fanapahan' i Shō Shin (1477-1526). Fiteny ôfisialy nampiasain' ireo olona ao amin' ny saranga ambony tao an-toerana ny fiteny ôkinaoainana. Maro ny hira sy ny tononkalon' i Okinawa voasoratra amin' ny fitenim-paritra sory.