Filôzôfian' ny lalàna
Ny filôzôfian' ny lalàna dia sampan' ny filôzôfia izay mikendry ny handalina ny lalàna sy ny fifandraisany amin' ny lamim-penitra hafa, indrindra ny etika sy ny filôzôfia pôlitika.
Ny sekoly roa lehibe amin' ny filôzôfian' ny lalàna dia ny an' ny lalàna natoraly sy ny pôzitivisme ara-dalàna. Ho an' ny filôzôfa pôzitivista, ny lalàna dia lamina mifototra amin' ny fahefan' ny fitondrana ara-pôlitika. Manizingizina manokana ny maha zava-dehibe ny lalàna novolavolain' ny Fanjakana izy ireo. Ho an' ny filôzôfa natoralista kosa, ny lalàna dia raiki-tampisaka amin' ny fiainan' ny olombelona ary tsy miankina amin' ny manam-pahefana fotsiny ny fitsipiny. Ohatra, ny zon' olombelona dia mifototra indrindra amin' ny hevitra avy amin' ny filôzôfian' ny lalàna natoraly.