Filôzôfia helenistika

Avy amin'i Wikipedia
Sekolin' i Atena, sary nataon' i Raffaello Sanzio da Urbino

Ny filôzôfia helenistika dia ny fitambaran' ny filôzôfia grika rehetra tamin' ny vanim-potoana helenistika izay nanomboka tamin' ny taona 323 tal. J.K., daty nahafatesan' i Aleksandra Lehibe, hatramin' ny ady tao Aktioma tamin' ny taona 30/31 tal. J.K., daty nahafatesan' i Kleôpatra. Ny sekoly nanjaka tamin' izany vanim-potoana izany dia ny stôika sy ny epikoreana ary ny skeptika, tao koa ny platônisma sy ny aristôtelisma ary ny sekolin' i Sôkraty.