Fifanakalozan-kevitry ny Mpamonjy

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fifanakalozan-kevitry ny Mpamonjy dia asasoratra kristiana gnôstika, izay famelabelarana (masekhet) fahadimy ao amin' ny Codex III ao amin' ny Vondrom-bokin' i Nag Hammadi. Ny hany kôpia sisa, voasoratra amin' ny teny kôpta, dia sombintsombiny. Azo inoana fa vita ny endriny farany manodidina ny taona 150 taor. J.K. Ny fomba fanoratana dia mitovy amin' ny fifanakalozan-kevitra gnôstika hafa teo amin' ny Mpamonjy sy ny mpianany, toy ny Filazantsaran' i Tômasy, saingy tsy manana fefimerana araka literatiora, misy fizaràna mampientam-po mifanelanelana, ary misy ny eskatôlôjia. Ity fomba fanoratra ity dia mety ho vokatry ny fitambaran' ny "loharano voasoratra efatra farafahakeliny.". Tsy sahala amin' ny lahatsoratra gnôstika maro hafa, ity Fifanakalozan-kevitra ity dia manao ny famoronana izao tontolo izao ho nataon' ny Ray tsara fanahy fa tsy Demiorga ratsy fanahy na tsy tonga lafatra.