Fifampiresahana eo amin' ny samy fivavahana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fifampiresahana eo amin'ny samy fivavahana dia fifandraisana tsara eo amin' ny mpino ao amin' ny fivavahana samihafa. Endriky ny fifampiresahana eo amin' ny samy kolontsaina, izay afaka miseho amin' ny fifanakalozana eo amin' ny fiainana andavanandro, ny fiaraha-miasa ho an’ny tombontsoam-bahoaka, ny adihevitra ara-teôlôjia ary ny fifampizarana traikefa ara-panahy. Izany dia miavaka amin' ny sinkretisma (fampifangaroharoana fivavahana) sy ny relativisma satria midika fanajana ny fahasamihafana fa tsy fitadiavana fitoviana.

Indraindray aseho amin' ny teny hoe ekiomenisma ny fifampiresahana eo amin' ny samy finoana ao anatin' ny kristianisma (katôlika, prôtestanta, ôrtôdôksa). Ny fifampiresahana amin' ny faharesen-dahatra samihafa dia fiezahana hanitatra ny fifanakalozan-kevitry ny samy mpivavaka ho amin' ny an' ny faharesen-dahatry ny tsy mino (tsy mino an' Andriamanitra, agnôstika).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]