Fiangonana Evanjelika Etiôpiana Mekane Iesosy

Avy amin'i Wikipedia
Fiangonana evanjelika loterana any Etiopia

Ny Fiangonana Evanjelika Etiôpiana Mekane Iesosy (izay atao hoe Ye Ethiopia Wongelawit Bete Kristian Mekane Yesus, amin' ny teny amarîka) dia fiangonana prôtestanta ao Etiôpia izay manaraka ny sampana loterana. Mikambana ao amin' ny Fiangonana Loterana Eran-Tany (anglisy: Lutheran World Federation; frantsay: Fédération luthérienne mondiale) sy ao amin' ny Fikambanan' ny Fiangonana Nohavaozina eran-Tany (anglisy: World Alliance of Reformed Churches; frantsay: Alliance réformée mondiale) io fiangonana io.