Fiangonan' i Kristy, Siantista

Avy amin'i Wikipedia
Ny Fiangonan' i Kristy Siantista voalohany ao Boston, foibem-pitantanan' ilay fiangonana

Ny Fiangonan' i Kristy, Siantista, izay atao amin' ny tejy anglisy hoe Church of Christ, Scientist, dia naorin' i nataon' i Mary Baker Eddy, tamin' ny taona 1879 tao Boston (Massachusetts, Etazonia). i Mary Baker Eddy dia mpanoratra ny Science and Health with Key to the Scriptures ("Siansa sy Fahasalamana miaraka amin' ny Fanalahidin' ny Soratra Masina"), ary mpanorina ny Siansa Kristiana. Io fiangonana io dia naorina mba hahatsiarovana ny teny sy ny asan' i Kristy Jesoa ary hamerina indray ny kristianisma voalohany sy ny singa very amin' ny fanasitranana.

Tany am-piandohan' ny taonjato faha-20 dia niorina tao amin' ny vondrom-piarahamonina maro nanerana izao tontolo izao ny fiangonan' ny Siansa Kristiana, na dia tao anatin' ny taompolo vitsivitsy farany tamin' io taonjato io aza, dia nisy fihenana ny isan' ny mpikambana, afa-tsy taty Afrika izay nisy fitomboana. Ao Boston ny foibeny, tsy mitatitra amin' ny fomba ôfisialy ny momba ny mpikambana ilay fiangonana, ary tombanana ho eo anelanelan' ny 100 000 sy 400 000 ny isan' ny mpikambana maneran-tany ao aminy.