Aller au contenu

Fiandrianana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiandrianam-pirenena)

Ny fiandrianana na fiandrianam-pirenena dia manondro ny fahefana fara tampony izay ekena fa ananan' ny fanjakana, izay midika fa izy irery no manana fahefana eo amin' ny tanim-pireneny (fiandrianana anatiny) ary mahaleo tena tanteraka izy ao anatin' ny lamina iraisam-pirenena izay voafetran' ny fanoloran-tenany manokana (fiandrianana ivelany). Mitaky ambaratongam-pahefana ao anatin' ny fanjakana sy fizakan-tena ivelany ho an' ny fanjakana ny fiandrianam-pirenena. Ao amin' ny fanjakana rehetra, ny fiandrianana dia ampiharin' ny fikambanana na ny andrim-panjakana izay manana fahefana faratampony amin' ny fikambanana na andrim-panjakana hafa rehetra sady afaka manova ny lalàna misy. Ao amin' ny teôria ara-pôlitika dia teny manan-danja anondroana ny fahefana ara-dalàna ambony indrindra amin' ny karazam-pitondrana sasany ny fiandrianam-pirenena. Ao amin' ny lalàna iraisam-pirenena, ny fiandrianam-pirenena dia ny fampiasan' ny fanjakana ny fahefana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]