Fianakaviamben' i Kristy (môrmônisma)

Avy amin'i Wikipedia
Ny Tempoly ao Independece, Illinois, Etazonia.

Ny Fianakaviaben' i Kristy, izay nantsoina taloha (1872 - 2001) hoe Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany Voalamina Indray (Reorganized Church of Jesus Christ of Latter Day Saints), dia fiangonana kristiana niorina voalohany avy amin' ny iray amin' ny sampana roa lehibe, miaraka amin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany, an' ny hetsika avy amin' ny Fiangonan' i Kristy naorin' i Joseph Smith tamin' ny taona 1830. Ahitana mpikambana 250 000 any amin' ny firenena 60 izany. Any Independence ao Missouri ny foibeny. Atao hoe Community of Christ izy amin' ny teny anglisy. Tsy toy ny Fiangonan' i Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany na ny fiangonana maro hafa avy amin' ny hetsiky ny Olomasin' ny Andro Farany ity fiangonana ity, indrindra ny finoany ny Trinite izay itoviany amin' ny fiangonana kristiana maro.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny fahafatesan' i Joseph Smith (taona 1844), mpanorina ny môrmônisma, dia nisy ny tsy fifanarahana ny amin’ izay ho mpandimby azy, ka nitarika ny fisehoan' ny hetsika maromaro avy amin' ny môrmônisma. Ny iray amin’ izy ireo dia niteraka ny "Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin' ny Andro Farany Voalamina Indray "(nairina tamin' ny fomba ôfisialy tamin' ny taona 1860 tao Amboy, ao Illinois). Tamin' ny Avily 2001 dia niova ny anarany ho Community of Christ ilay fiangonana.