Aller au contenu

Fay (hazandrano)

Avy amin'i Wikipedia
Fay

Ny fay dia trondron-dranomasina fisaka tena fisaka eo an-tampony ary kely sady lava ny rambony, manana vombo an-tratra lehibe mirakitra amin' ny vatany, ary manana sagoaga (na esasa) eo amin' ny kibony. Mamorona reni-filaharana atao hoe Batoidea na Rajomorphii izy ireo. Misy karazany 500 ny fay izay voantsinjara amin' ny fianakaviana miisa 13 sy laharana dimy (Myliobatiformes, Rajiformes, Rhinopristiformes, Torpediniformes ary Sclerorhynchiformes). Ankehitriny dia heverina ho karazana antsantsa ny fay.