Fath al-Bari

Avy amin'i Wikipedia
Boky feno miralitra ny Fath al-Bari

Ny Fatḥ al-Bārī na Fath'ul Bārī (arabo: فتح الباري / Fatḥ al-Bārī, izay midika hoe "Fanomezan' ny Mpamorona") na Fatḥ al-Bārī fī Sharḥ Ṣaḥīḥ al-Bukhārī dia fanaovana heviteny marobe sy lava be nataon' i Ibn Hajar al-'Asqalani (1372-1449) momba ny fanangonana hadita sonita Sahih al-Bukhari na Sahih-ul Jami nataon' i al-Bukhari. Sanganasany io sady io no hevitenin' ny hadita malaza indrindra. Voalaza fa nila 25 taona i Ibn Hajar vao nahavita ny azy.

Iray amin' ny asa fototra ataon' ny Mozilmana sonita izy io, izay milaza fa ny Sahih-ul Jami no loharano azo antoka indrindra, aorian' ny Kor'any, araka ny fitsipiky ny siansa momba ny hadita. Manodidina ny roapolo ny famakafakana ny Sahih al-Bukhari, ka amin' izy ireo dia ny Fath'ul Bâri no tena be mpankasitraka indrindra.

Ny asasoratra izay mifaninana aminy eo amin' ity laharana ity ao amin' ny Hanafita dia ny Umdat ul Qari nataon' i Badruddine Ayni (maty tamin' ny taona 1444). Amin' ny maha Safiista azy, i Ibn Hajar Al-Asqalani dia manao heviteny sasantsasany momba ny fombam-pivavahana hanafita izay mifanohitra amin' ny hadita sasany notateriny. Ny adihevitra eo amin' ireo manam-pahaizana roa ireo dia nalaza noho ny halalin' ny lohahevitra sy ny tanjaky ny adihevitra ary ny fifanajana misy eo amin' izy roatonta.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]