Muhammad al-Bukhari
Muhammad al-Bukhari | ||
Ankapobeny | ||
Anarana | Muhammad al-Bukhari | |
Teraka | 19 Jolay 810 | |
Maty | 1 Septambra 870 | |
Fiaviana sy ny andraikitra | ||
Asa : | ||
Fiainana manokana | ||
I Muhammad al-Bukhari dia mpanoratra mozilmana mpanangona hadita (muhaddith) tamin' ny taonjato faha-9 izay heverina ho manampahaizana manan-danja indrindra momba ny hadita teo amin' ny tantaran' ny sonisma. Teraka tamin' ny 19 na 21 Jolay 810 izy ary maty tamin' ny 1 Septambra 870. Ny sanganasan' i Al-Bukhari mbola misy dia ahitana ny fanangonana hadita ata hoe Sahih al-Bukhari sy al-Tarikh al-Kabir ary al-Adab al-Mufrad. Atao hoe Abū ʿAbd Allāh Muḥammad ibn Ismāʿīl ibn Ibrāhīm al-Juʿfī al-Bukhārī (arabo: أبو عبد الله محمد بن إسماعيل بن إبرهيم الجعفي البخاري) ny narany feno. Teraka tao Bukhara ao Ozbekistana i Al-Bukhari ary nanomboka nianatra hadita tamin' ny fahatanorany. Namakivaky ny Kalifata Abasida izy ary nianatra tamin' ny manam-pahaizana malaza maro tamin' izany fotona izany. Nitadidy hadita an' arivony i Bukhari, nanangona ny Sahih al-Bukhari tamin' ny taona 846. Nandany ny androm-piainany nampianatra ny hadita nangoniny izy. Tamin' ny fiafaran' ny androm-piainany i Bukhari dia niatrika ny filazana fa noforonina ny Kor'any, ary natao sesitany tany Nishapur. Nifindra tany Khartank, akaikin' i Samarkand, izy avy eo.
Ny Sahih al-Bukhari dia nohajaina amin' ny maha fanangonana hadita manan-danja indrindra amin' ny silamo sonita azy. Ny Sahih al-Bukhari sy ny Sahih Muslim, izay angona hadita nataon' i Muslim ibn al-Hajjaj mpianatr' i Al-Bukhari, dia fantatra amin' ny anarana hoe Sahihayn (arabo: صحيحين / Saḥiḥayn) ary heverin' ny Sonita ho boky azo antoka manarakaraka ny Kor'any. Anisan' ny mandrafitra ny Kutub al-Sittah izy io, dia ireo angona hadita enina hajaina indrindra ao amin' ny sonisma.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Ao amin'i Freebase: [1]