Aller au contenu

Fanitsakitsaham-bady

Avy amin'i Wikipedia

Ny fanitsakitsaham-bady dia firaisana ara-nofo ivelan' ny fanambadiana izay heverina ho tsy azo ekena noho ny antony ara-tsôsialy, ara-pivavahana, ara-môraly, na ara-dalàna. Na dia miovaova aza ny firaisana ara-nofo izay miteraka fijangajangana, ary koa ny voka-dratsiny ara-tsôsialy, ara-pivavahana ary ara-dalàna, dia misy amin'ny kolontsaina maro ny foto-kevitra ary mitovy amin' ny kristianisma, ny jodaisma ary ny silamo