Fanambaràna ny hevitry ny nofy

Avy amin'i Wikipedia
Tom Paine's Nightly Pest, sariitatra nataon' i James Gillray momba ilay mpikatroka ara-pôlitika Thomas Paine izay manonofy mpitsara tsy manan-tava mamelabelatra horonam-boky mirakitra fiampangana sy sazy.

Ny fanambaràna ny hevitry ny nofy dia fitambarana fanao na teknika, ara-pombafomba na ara-tandindona, izay miezaka hanome heviny ny nofy.

Tany amin' ny fiarahamonina maro tamin' ny Andro Taloha, toa an' i Ejipta sy Gresy, ny nofy dia noheverina ho fifandraisana mihoatra ny ara-boajanahary na fomba fidiran' ny andriamanitra an-tsehatra, izay mitondra hafatra azon' ny olona adika amin' ny alalan' ireo hery ara-panahy mifandray aminy. Amin' izao andro môderina izao, isankarazany ny sekoly momba ny ny psikôlôjia sy ny neorôbiôlôjia izay manolotra rijan-kevitra momba ny hevitry ny nofy sy ny tanjony. Nohalalinin' ny neorôsiansa hatramin' ny taompolo 1960 (psikôfiziôlôjia sy neorôfiziôlôjian' ny nofy), ny nofy dia notakarin' ny fikarohana ao amin' ny siansa sôsialy, anisan' izany ny tantara sy ny sôsiôlôjia ary ny antrôpôlôjia indrindraindrindra, izay manangona sy manadihady ny fitrandrahana nentim-paharazana na môderina ny nofy ao amin' ny kolontsaina samihafa, ary koa amin' ny psikanalizy sy amin' ny psikôlôjia analitika.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]