Evanjely kôptan' ny Ejipsiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny Boky Masin' ny Fanahy Lehibe tsy hita maso, fantatra ihany koa amin' ny hoe Evanjely kôptan' ny Ejipsiana na Filazantsaran' ny kôptan' ny Egiptiana, dia lahatsoratra gnôstika setiana hita ao amin' ny Codex III sy Codex IV ao amin' ny Vondrom-bokin' i Nag Hammadi. Milaza ny niandohan' ny hery telo ity lahatsoratra ity: ny Ray sy ny Reny ary ny Zanaka, izay nivoaka avy amin' ny Fanahy lehibe tsy hita maso.

Ilay lahatsoratra dia manantitrantitra fa i Seta no niandohan' ny taranaky ny fiainana mandrakizay sy ilay taranaka lehibe tsy mety lo. Mifarana amin' ny vavaka sy fanambaràna izay milaza fa nosoratan' i Seta lehibe ary napetraka tao amin' ny tendrombohitra Charaxio ilay lahatsoratra mba haseho amin' ny andro farany.