Evanjelin'ny Fahamarinana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny Evanjelin'ny Fahamarinana na Filazantsaran'ny Fahamarinana na Vaovao Mahafalin'ny Fahamarinana dia soratra gnostika tamin'ny taonjato faha-2 amin'ny teny kopta izay hita niaraka tamin'ny tranombokin'i Nag Hammadi. Ny lohateniny dia nalaina tamin'ireo andalana voalohany ao amin'ny lahatsorany, fa tsy manana lohateny izy, raha ny tena marina. Izao, ohatra, ny zavatra voasoratra ao:

"Ny Evanjelin'ny Fahamarinana dia hafaliana ho an'ireo izay nandray avy amin'ny Rain'ny Fahamarinana ny fahasoavana hahalala, amin'ny alalan'ny fahefan'ny Teny no niavian'ny Plerôma, izay ao amin'ny fieritreretana sy ao amin'ny fanahin'ny Ray, izany hoe izay niresaka tamin'ny Mpamonjy." (Evanjelin'ny Fahamarinana 16).

Tsy fantatra ny nanoratra io evanjely io nefa mitovitovy amin'ny fiheveran'i Valentino, ilay moitoriteny gnostika tamin'ny taonjato faha-2 (taona 180 eo ho eo). "

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]