Elizabeta (renin' i Joany)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Elizabeta (renin'i Joany))
Famangian'i Maria an'i Elizabeta

I Elizabeta dia renin' i Joany mpanao batisa sady vadin' i Zakaria. I Elizabeta dia resahina ao amin' ny Baiboly ao amin' ny Evanjelin' i Lioka ao amin' ny toko voalohany. Vehivavy efa be taona izy, zanaky ny mpiray tampo izy sy i Maria. Amin' ny teny hebreo dia atao hoe אֱלִישֶׁבַע / ʾĔlîšéḇaʿ na אֱלִישָׁבַע / ʾĔlîšāḇaʿ izay midika hoe "Nianiana ny Andriamanitro". Vakina hoe Elišévaʿ na Elišávaʿ io anarana io amin' ny teny hebreo ankehitriny. Amin' ny teny grika dia atao hoe Ἐλισάβετ / Elisabet izany. Amin' ny teny arabo dia atao hoe أليصابات / Alyassabat i Elizabeta.

Nanambara tamin' i Zakaria ny hiterahany zazalahy ny anjely Gabriela/Gabriely, izany zaza izany no ho tonga mpaminany aty aoriana, dia i Joany Batista (na Jaona mpanao batisa).

Rehefa novangian' i Maria, izay bevohoka an' i Jesoa koa, i Elizabeta (Lio. 1.39-56) dia niarahaba azy i Elizabeta ("Arahaba ry Maria ...") ary nanao hira fiderana an' Andriamanitra i Maria ka nivavaka. Milaza ny Evanjely fa tsy mpisorona fotsiny ihany i Zakaria, fa i Elizabeta koa dia mbola taranak' i Aarôna (Lio. 1.5). Araka izany dia tokony ho taranak' i Aarôna koa i Maria. Nanjary moana i Zakaria taorian' ny fanambaràn' ny anjely ka i Elizabeta no nilaza ny anaran' i Joany (Lio. 1.60-64).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]