Eglizy Katôlika Armeniana

Avy amin'i Wikipedia
Mari-pamantaran' ny Eglizy Katôlika Armeniana

Ny Eglizy Katôlika Armeniana na Eglizy Armeniana Katôlika anisan' ny Eglizy Katôlika Tatsinanana manokana sui iuris (izany hoe mizaka tena) ao amin' ny Eglizy Katôlika. Manaiky ny fitarihan’ ny evekan’ i Rôma ity fiangonana ity, ka noho izany dia miombona tanteraka amin' ny Eglizy Katôlika maneran-tany, anisan' izany ny Eglizy Latina sy ny Eglizy katôlika miisa 22 hafa.

Atao hoe Հայ Կաթողիկե Եկեղեցի izy amin' ny teny armeniana.

Ny mpitarika azy dia mitondra ny anaram-boninahitra hoe "Katôlikôsy-Patriarka any Kilikia an' ny Armeniana", izay mipetraka any Beirut (Libanona). Tamin' ny 23 Septambra 2021 i Raphael Bedros XXI Minassian no voafidy ho patriarka tamin' ny sinôdan' ilay Eglizy ary nomen' ny papa azy ny kômonio ekleziastika ny ampitson' io. Ny Eglizy Katôlika Armeniana dia mampiasa ny fombafomba armeniana miaraka amin' ny litorjia manokana.

Katedralin' i Masindahy Eliasy sy i Masindahy Gregôriôsy ilay Mpanazava

Ny Eglizy Katôlika Armeniana dia fehezin' ny lalàna kanônika tatsinanana, voafintina ao amin' ny Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium ("Bokin' ny Kanônan' ny Eglizy Tatsinanana"). Ny katedraly lehibe indrindra sady arsevesea dia ny Katedralin' i Masindahy Eliasy sy i Masindahy Gregôriôsy ilay Mpanazava, any Beirut, any Libanona.