Dôminikanina
Ny Dôminikanina na Fikambanan' ny Mpirahalahy Mpitoriteny na Fikambanan' ny Frera Mpitoriteny na Fikambanana Dôminikanina na Jakôbinina (amin' ny teny latinina: Ordo Fratrum Prædicatorum), dia fikambanana katôlika teraka tao Toulouse teo ambany fitarihan' i Domingo Núñez de Guzmán (na Dominique de Guzmán) tamin' ny taona 1215. Toy ny Fikambanan' ny Frera Madinika na Fransiskanina, dia ao anatin' ny sokajin' ny fikambanana mpangataka izy ireo. Manakaiky kokoa ny mponina izy ireo, tsy mitovy amin' ny fikambanana hafa nivoady hitoka-monina, toy ny Fikambanana Sistersianina.
Nanaraka ny fitsipik' i Md Aogostino sy ny Constitutions azy manokana, izay nalaina tahaka tamin' ny an' ny Premônstratensianina (latinina: Ordo Praemonstratensis), izy ireo, ka manatanteraka apôstôlà sy fandinihana hamin' ny maha iraka. Ny papa Joany Paoly II dia nampahatsiahy fa, hatramin’ ny niandohany, ny iray amin’ ny iraka lehibe nankinina tamin’ ilay fikambanana dia ny fanambaràna ny fahamarinan’ i Kristy ho setrin’ ny fampianaran-diso (voalohany ny an' ny Albigensiana, avy eo ny endrika vaovao rehetra amin' ny fampianaran-diso manikeana miverimberina izay tsy maintsy natrehin’ ny kristianisma hatrany am-piandohana, matetika mifantoka amin' ny fandavana ny fahatongavan' i Kristy ho nofo). Ny hoe Veritas ("ny fahamarinana") no teny filamatra ao amin' ilay fikambanana. Misy teny filamatra hafa koa nomena azy, ohatra hoe Contemplata aliis tradere (“ambarao izay noeritreretinay”), nalaina tamin’ i Tômasy avy any Akoino, na koa hoe "midera, mitso-drano, mitory" izay andian-teny litorjika.
Ny Dôminikanina dia relijiozy nefa tsy moanina: manana ny maha tsy manan-tsahala azy izy ireo amin' ny fanononana voady tokana, dia ny fankatoavana, eo am-pelatanan' ny mpitarika ny fikambanana (na ny solontenany), ny voady hiaina ho mahantra sy ny hadio fitondran-tena dia tafiditra ao anatin' izany. Tsy manao voady fitoniana toy ny moanina anefa izy ireo. Mipetraka any amin’ ny trano couvents izy ireo fa tsy any amin’ ny mônastera. Ny hitory no fiantsoana azy ireo, matetika dia any amin' ny tanàna lehibe no misy ny tranon' izy ireo. Tamin' ny taona 2018 dia nisy Dôminikanina miisa 5 747 maneran-tany, ka pretra ny 4 299 amin' izany.