Dinika amin'ny mpikambana:Bezarabeflo

Le contenu de la page n’est pas pris en charge dans d’autres langues.
Avy amin'i Wikipedia

Fiarahabana ary zavatra tiako hambara[hanova ny fango]

Miarahaba anao tompoko ary tonga soa eto amin'i Wikipedia, Amin’ny maha-mpandrindra ahy eto amin’i Wikipedia dia nahazo fitarainana avy amin’ny mpikambana hafa aho momba ny fanararaotanao an’i Wikipedia ary ny tetikasa rahavavy toa i Wikimedia Commons, izay nametrahanao ny sary vitsivitsy.

Ny zavatra ilainao fantarina voalohany indrindra dia tsy toerana hanoratana ny tantaram-piainan’olon-drehetra mamangy na manoratra i Wikipedia, izany hoe tsy toerana anoratana lahatsoratra na CV an’olon-tsotra. Tsy toerana anolorana hevitra tsy mbola nampahafantarana tamin’ny alalan’ny gazetim-pirenena na gazety manokana ihany koa.

Faharoa dia tsy maintsy amin’ny fiteny fampiasan’ny tetikasa ny lahatsoratra alefanao. Efa nametraka ny endrika mandika teny aho teo amin’ny lahatsoratra nandraisanao anjara (tamin’ny teny frantsay (itandremo koa ny tsipelina), anefa tokony amin’ny teny malagasy eto amin’i Wikipedia malagasy) fa noho ny antony tsy fantatra dia nesorinao ilay izy.

Tsy tiako ny manindritsindry fa noho izany fitarainana izany ary noho ny fihetsikao eto sy eny amin’ny tetikasa hafa, raha tsy voadika amin’ny teny malagasy miaraka amin’ny loharanom-pampahalalana azo atokisana (gazety, gazetiboky, boky, fandaharana radiô azo jerena), dia tsy manana ny toerany ato amin’i Wikipedia malagasy ny lahatsoratrao.

Apetraho eto amin’ity pejy ity ny valin-kafatra na ny fanontaniana mety anananao hanampiako anao.

Raiso tompoko ny haja atolotro anao, — Jagwargrr... mailaka 8 Aprily 2015 à 23:28 (UTC)[répondre]

PS: Manana hatramin'i Zoma folo Aprily ianao. Raha tsy mahita fiovana na inona na inona aho amin'ny Sabotsy dia ho voafafa ny lahatsoratrao. — Jagwargrr... mailaka 8 Aprily 2015 à 23:34 (UTC)[répondre]

Valinkafatra sy fanontaniana (Bezara Florent)[hanova ny fango]

Miarahaba anao tompoko!

  1. Voalohany, isarako ianao raha toaka nanitsy ny zavatra nataoka izay tsy nety tato amin'ity wikipedia ity. Ny tenako dia mbola Voahanomboka na (Débutant) ato amin'ity wikipedia ity.
  1. Faharoa, Maniry mafy aho hanoratra ny lahatsoratra na (article) tantaram-piainan'i Florent Bezara ato amin'ity wikipedia.
  1. Farany, Mbola tena tsy mazava amiko tompoko ny tena lalana mifehy raha toaka hanoratra (article) ato amin'ny wikipedia, afa tsy fanajana ny tsipelina ihany.
  • Ary azoko atao ve tompoko no manoratra (article) momban'io Florent Bezara io?

Eto dia mbola mamerina fisaorana avo hoanao ny tenako tompoko.


--Bezarabeflo (discussion) 9 Aprily 2015 à 10:15 (UTC)Bezara Florent[répondre]

Miarahaba anao indray tompoko, ary misaotra anao namaly ny hafatra.
Ho valin'ilay fanontaniana hoe "Ary azoko atao ve tompoko no manoratra (article) momban'io Florent Bezara io? " dia eny, fa misy fepetra tsy maintsy hajaina:
  • Tsy maintsy soratana amin'ny teny malagasy ranoray ary manaja ny tsipelin'ny teny malagasy (na teny ofisialy, na tenim-paritra)
  • Tsy maintsy ahitana loharanom-pampahalalana azo atokisana (source d'information fiable), toa ny gazety, gazetiboky (magazine) na haino aman-jery (fandaharana amin'ny onjam-peo, fahitalavitra, sns).
Ankoatra izay dia itandremo ireto zavatra ireto:
Fantaro ihany koa fa tsy dia ankasitrahana loatra ny manoratra lahatsoratra momba ny tena (satria mety manolana ny fijererena tsy mitongilana (neutrality of point of view) izany)
Raiso ny haja atolotro anao, — Jagwargrr... mailaka 9 Aprily 2015 à 12:37 (UTC)[répondre]