Dinika:Taom-baovao malagasy

Le contenu de la page n’est pas pris en charge dans d’autres langues.
Avy amin'i Wikipedia

Niova ny daty fankalazana[hanova ny fango]

Niova ny daty fankalazana ny taom-baovao malagasy ka lasa 22 Septambra izany fa tsy manodidina ny 21 Marsa intsony raha tsy hisy indray ny fanovana. Vaovao nandeha teo amin'ny fahitalavitra TVM izany tamin'ny 21 Septambra 2018 antoandro. Fivorian'ny solontena maro avy amin'ny lafivalon'ny Nosy no nanapahana izany.--Thelezifor (resaka) 21 Septambra 2018 à 11:08 (UTC)[répondre]

Votoatim-pejy hita any an-kafa[hanova ny fango]

Mahagaga fa mitovy ny votoantin'ity lahatsoratra ity sy ny hita ao amin'ny facebook ka tsy fantatra na nandika manontolo ny ato amin'ny Wikipedia izy ireo na ny mpamorona ilay pejy ato no nandika manontolo izay toa amin'ny iray amin'ireo blogy ireo. Tsy nanam-potoana hijereko ny taloha sy ny taoriana aho. Tsindrio eto na eto raha te hamaky an'izany. Raha ny hevitro manokana dia ho tehirizina ihany io pejy io nefa tokony haseho koa ny hevitra isan-karazany sy samihafa momba ny datin'ilay taom-baovao amin'izao fotoana izao. Tokony hitadiavana porofo amina tahirin-kevitra voasoratry ny mpahay tantara ny lafiny ara-tantara momba ilay taombaovao.--Thelezifor (resaka) 19 Novambra 2018 à 17:26 (UTC)[répondre]

Rehefa jerena akaiky ny daty nanoratana azy dia 13 Martsa ny datin'ny lahatsoratra tao amin'i Facebook. 9 Martsa ny versiona ananantsika mitovy endrika amin'ilay post. Mino aho izany fa avy tamin'i Wikipedia no nadikany an'io, na nadikan'ilay tompon-tsoratra tao amin'i Facebook ilay zavatra nosoratany rehefa avy nametraka azy teto amin'i Wikipedia. Na inona na inona mitranga vokatr'izany, dia efa manaja zom-pamorona isika. — Jagwargrr... mailaka 19 Novambra 2018 à 18:16 (UTC)[répondre]