Daewoo
Apparence
Daewoo dia vondrona indostrialy koreanina tatsimo noforonin'i Kim Woo-chong. Ireo vala ahitana an'i Daewoo dia ny fanamboarana sambo, ny trano, ny fitaovam-piadiana, ny fitaovan-tokatrano mampiasa aratra, ny haikoriam-boanaratra ary ny fiarakodia.
Nalevon'ny governemanta koreanina tatsimo ilay vondrona tamin'ny 1999, mbola misy ihany ny zanak'orinasa fa samy mifankaleo tena izy ireo.
Ilay vondrona talohan'ny taona 1999
[hanova | hanova ny fango]Ireo ny fizaràn'ny vondrona talohan'ny nandevonana azy tamin'ny krizy aziatika :
- Daewoo Heavy Industries (DHI) : mpamorona milina ho an'ny indostria vaventy, izay ahitana fitaovam-pitaterana
- Daewoo Shipbuilding & Marine Engineering : mpanamboatra kaontenera, kargo, mpitondra solika ary fiaramanidina. Nahaleotena tamin'ny taona 2000 ilay orinasa.
- Daewoo Corporation : izay nahitana an'i Daewoo Construction izay mpanamboatra lalana, trano isan-karazany, indrindra indrindra tany Afovoany Atsinanana ary tany Afrika. Voazara ho orinasa telo samihafa ity orinasa ity.
- Daewoo Electronics : fitaovana mampiasa aratra rehetra ary haikoriam-boanaratra, izay ahitana solosaina ary mpanorina, miaraka amin'ny zanak'orinasa Daewoo Electronic Components Co., Daewoo Electric Motor Industries Ltd. ary Orion Electric Co. Ltd.
- Daewoo Telecom Ltd. : fifandraisan-davitra rehetra.
- Daewoo Precision Industries : mpanao basy ary fiarakodia. Natsangana tamin'ny 2002 ary niova anarana ho S&T Daewoo Co. tamin'ny 2006.
- Daewoo Textile Co. Ltd.
- Daewoo Securities : fiantohana.
- Daewoo International : varotra iraisam-pirenena.
- Daewoo Development Co. Ltd. : fitantanana ny hotelin'i Daewoo, izay nanana ny franchise ny hotely Hilton tany Korea Atsimo.
- IAE (Institute for Advanced Engineering) : ivon-toerana fanaovnaa fikarohana.
- Daewoo Motor : mpanao fiara fitateran'entana. Ahitana an'i Daewoo Automotive Components Co. Ltd., Daewoo Bus Co. Ltd., Daewoo Commercial Vehicle Co. Ltd.
- Daewoo Motor Sales : nivarotra ny fiaran'i Daewoo ary ny fiaran'i General Motors, izay ahitana zanak'orinasa Architectural Iaan Div. ary SAA-Seoul Auto Auction.
Taorian'ny krizy aziatika
[hanova | hanova ny fango]- Daewoo International Corporation : izay entin'i Lee Dong-Hee ; miasa amin'ny varotra, famatsiam-bola ary fivoarana ara-toe-karena.
- Daewoo Engineering & Construction : entin'i Seo Jong Huk, miasa amin'ny mari-tranon ary ny fanamboarana trano.
- Daewoo Corporation
- Daewoo Electronics : mpanao fitaovana ara-kaikoriamboanaratra rehetra, Hi-Fi ary sarimihetsika. Zanak'orinasan'i Dongbu Group hatry ny taona 2013.
- GM Daewoo : fiarakodia, zanakorinasan'i General Motors.
- S&T Daewoo : noforonina tamin'ny 13 Septambtra 2006, entin'i Kim Taekwon
- DSME : entin'i Nam Sang-Tae, miasa amin'ny fandrafetana sambo.