Dābbat al-Arḍ

Avy amin'i Wikipedia

Ny Dābbat al-Arḍ (arabo: دَابَّة الأَرْض‎) dia zavaboary resahina ao amin' ny Kor'any, sorata faha-27 (An-Naml) andininy faha-82 ary mifandray amin' ny andro fitsarana. Io teny io dia azo adika ara-bakiteny hoe "Bibidian' ny Tany".

Noho izany antony izany dia matetika ny Bibidian' ny Tany no lazaina ao amin' ny asasoratra eskatôlôjika fa famantarana ny andro fitsarana manakaiky ny "fiposahan' ny masoandro any andrefana". Tsy manome tsipiriany momba ny toetoetran' ily Bibidia ny Kor'any, fa ny fanaovana heviteny isan-karazany no nampifandray azy amin' ny Bibidia voalaza ao amin' ny Bokin' ny Apôkalipsy ao amin' ny Testamenta Vaovao na amin' ny biby goavam-be avy amin' ny fedrà tiorka.

Misy hadita vitsivitsy ihany koa milaza fa io bibidia io dia hanisy marika eo amin' ny handrina sy eo amin' ny oron' ny olona, ​​ny marika eo amin' ny handrina dia mety maneho fa mpino ny olona iray ary ny marika eo amin' ny orona dia hilaza izany tsy mpino.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]