Dôminikanina

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Dôminikana)
Md Dôminika
Md Dôminika

Ny Dôminikanina na Fikambanan' ny Mpirahalahy Mpitoriteny na Fikambanan' ny Frera Mpitoriteny na Fikambanana Dôminikanina na Jakôbinina (amin' ny teny latinina: Ordo Fratrum Prædicatorum), dia fikambanana katôlika teraka tao Toulouse teo ambany fitarihan' i Domingo Núñez de Guzmán (na Dominique de Guzmán) tamin' ny taona 1215. Toy ny Fikambanan' ny Frera Madinika na Fransiskanina, dia ao anatin' ny sokajin' ny fikambanana mpangataka izy ireo. Manakaiky kokoa ny mponina izy ireo, tsy mitovy amin' ny fikambanana hafa nivoady hitoka-monina, toy ny Fikabanana Sistersianina.

Nanaraka ny fitsipik' i Md Aogostino sy ny Constitutions azy manokana, izay nalaina tahaka tamin' ny an' ny Premônstratensianina (latinina: Ordo Praemonstratensis), izy ireo, ka manatanteraka apôstôlà sy ny fandinihana ho iraka. Ny papa Joany Paoly II dia nampahatsiahy fa, hatramin’ ny niandohany, ny iray amin’ ireo iraka lehibe nankinina tamin’ ilay fikambanana dia ny fanambaràna ny fahamarinan’ i Kristy ho setrin’ ny fampianaran-diso (voalohany ny an' ny Albigensiana, avy eo ny endrika vaovao rehetra amin' ny fampianaran-diso manikeana miverimberina izay tsy maintsy natrehin’ ny kristianisma hatrany am-piandohana, matetika mifantoka amin' ny fandavana ny fahatongavana ho nofo). Ny teny filamatra dia ny hoe Veritas ("ny fahamarinana"). Misy teny filamatra hafa koa nomena azy, ohatra hoe “ambarao izay noeritreretinay” (contemplata aliis tradere), nalaina tao amin’ i Tômasy avy any Akoina, na koa hoe “midera, mitso-drano, mitory” izay andian-teny litorjika.

Ny Dôminikanina dia relijiozy fa tsy moanina: manana ny maha-tokana azy izy ireo amin' ny fanononana voady tokana, dia ny fankatoavana, eo am-pelatanan' ny tompo mpitarika ny fikambanana (na ny solontenany), ny voady hiaina ho mahantra sy ny hadio fitondran-tena dia tafiditra ao anatin' izany. Tsy manao voady fitoniana toy ny moanina anefa izy ireo. Mipetraka any amin’ ny trano couvents izy ireo fa tsy any amin’ ny mônastera. Ny fiantsoana azy ireo dia ny hitory, ny tranon' izy ireo dia matetika any amin' ny tanàna lehibe. Tamin' ny taona 2018 dia nisy Dôminikanina miisa 5 747 eran-tany, ka pretra ny 4 299 amin' izany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]