Church Mission Society

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Church Missionary Society)
Sary famantaran' ny Church Missionary Society.

Ny Church Mission Society (CMS), izay fantatra teo aloha amin' ny anarana ho hoe Church Missionary Society, dia fikambanana misiônera britanika anglikanina miara-miasa amin' ny kristiana manerana izao tontolo izao. Niorina tamin' ny taona 1799 ny CMS dia nahasarika lehilahy sy vehivavy maherin' ny sivy arivo ho mpiara-miombon' antoka amin' ny asa fitoriana nandritra ny 200 taona teo amin' ny tantarany. Ity fikambanana ity koa dia nanome ny anarany "CMS" ho an' ny fikambanana maromaro, izay efa mahaleo tena ankehitriny, manerana izao tontolo izao, anisan' izany i Aostralia sy i Zelandy Vaovao.