Charvaka

Avy amin'i Wikipedia

Charvaka dia anaran' ny mpandinika indiana tamin' ny taonjato faha-7 na faha-6 tal. J.K, sy anaran' ny rafi-pandinihana fantatra koa amin' ny anarana hoe Lokāyata, avy amin' ny teny hoe loka, "izao tontolo izao", izany hoe ny "hany zavatra tena misy tokoa". Filôzôfia materialista, be fisalasalana (skeptika), tsy mino andriamanitra (ateista) ary mamporisika ny fahafinaretana (hedônista) izay mandà ny fampianarana nentim-paharazana (toy ny fidiran' reinkarnasiôna, ny fanaovana fombafomba, sns.) ary tsy manaiky afa-tsy ny fahatsapana ho fitaovana ahafgaha-mahalala.

Ity mpandinika ity dia anisan' ny taranaka izay mametraka fanontaniana momba ny brahmanisma amin' ny alalan' ny fandavany ny fisian' ireo andriamanitra resahina ao amin' ny Veda izay nipoiran' ny fombafomba fanaovana sorona, toy ny atao ao amin' ny jainisma sy bodisma.

Ny teny sanskrita hoe चार्वाक / Cārvāka (vakina hoe tchârvâka) dia midika ara-bakiteny hoe "teny mamy" na "teny mahafinaritra".

Ny hoe Cārvāka koa dia anaran' ny rakshasa ao amin' ny Mahabharata.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]