Brigham Young

Avy amin'i Wikipedia
Brigham Young

I Brigham Young no mpandimby an' i Joseph Smith ho filohan' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany nanomboka tamin' ny taona 1847 ka hatramin' ny nahafatesany tamin' ny taona 1877. Izy koa no governora voalohany tao amin' ny Fanjakan' i Deseret, izay tsy neken’ ny governemantan' i Etazonia (1849-1851), avy eo tao amin' ny Faritanin' i Utah (1851–1858), ary noho izany dia nandray anjara tamin' ny Adin' i Utah. Teraka tamin' ny 1 Jona 1801 tao Whitingham, ao amin' ny Fanjakan' i Vermont izy ary maty tamin' ny 27 Desambra 1877 tao Salt Lake City.

Niova fo ho amin' ny môrmônisma izy tamin' ny taona 1832 ary lasa mpikambana tao amin' ny "kôlejin' ny apôstôly roa ambin' ny folo" tamin' ny taona 1835. Rehefa nandray ny andraikitra maha filoha azy izy dia nitarika ny fifindrà-monin' ny mpisava lalana môrmôna niampita ny lemak' i Amerika Avaratra nankany amin' ny lohasahan' i Salt Lake, izay nisy ny Môrmôna voalohany tonga tamin' ny taona 1847.

I Brigham Young dia olo-malaza mampiady hevitra, indrindra noho ny fampianarany momba ny mainty hoditra, ireo fotopampianarana heverina ho mahery setra (toy ny "fanavotana amin' ny alalan' ny ra") ary ny fametrahana ny fampirafesana tao Utah. Izy koa no filohan' ilay fiangonana naharitra ela indrindra tamin' ny naha filohan' ilay fiangonana azy, izay naharitra 33 taona.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]