Aller au contenu

Bolan-danitra

Avy amin'i Wikipedia
Kisary maneho ny Tany mihodina ao anatin' ny bolan-danitra

Ny bolan-danitra, amin' ny haikintana, dia bola foronin' ny saina izay manana tana lehibe tsy misy refy raikitra ary mira ivo amin' ny Tany. Ny zavatra rehetra eny amin' ny lanitra dia azo raisina ho toy ny napetaka amin' ny velarana anatin' ny bolan-danitra, ka ny ivony dia mety ny Tany na ny mpandinika. Raha ny mpandinika no ivony dia mitovy amin' ny efijery miendrika ila-bola eo amin' ny toerana fijerena ny antsasaky ny bola.

Ny bolan-danitra dia fitaovana an-kevitra fotsiny ampiasaina amin' ny haikintana mba hamaritana ny toeran' ny zavatra iray eny amin' ny lanitra tsy iheverana ny halavirana amin' ny mpandinika. Ny fehiben-danitra dia mizara ny habaky ny lanitra ho faritra avaratra sy atsimo.