Boaza
Aller à la navigation
Aller à la recherche
I Boaza diai lehilahy resahina ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Bokin'i Rota sy ny Boky voalohan'ny Tantara, izay zanak'i Salmona. Araka ny Evanjelin'i Matio dia i Rahaba no reniny.
Mpanan-karena nanan-tany be tao Betlehema i Boaza zanak'i Salmona sy Rahaba. Nanambady vahivavy maty vady atao hoe Rota izy. Hitany tany an-tanimbariny i Rota, talohan'ny nanambadiany azy, raha nanangona salohim-bary. Salohim-bary ho an-drafozambaviny Naomy tamin'ny vadiny taloha izany. Havan'i Boaza rahateo i Naomy. Niteraka an'i Obeda izay voalaza fa rain'i Jese trazamben'i Davida mpanjaka izy mivady.
Amin'ny teny hebreo dia atao hoe בועז / Bō`az izy. Ao amin'ny Baiboly jiosy amin'ny teny grika atao hoe Septoajinta io anarana io dia atao hoe Βοόζ / Booz.