Betatoato

Avy amin'i Wikipedia

Ny betatoato dia dihy malagasy nentim-paharazan' ny Bezanozano, izay atao mandritra ny fetim-pianakaviana toy ny fampakaram-bady, ny famadihana na ny fananganana tsangambato. Amin' ny fandihizana ny betatoato, dia tsy maintsy ahetsika manaraka gadona ny tongotra, ny tanana, ny sandry ary ny soroka. Ny lehilahy mitafy ny malabary vita amin' ny lamba soga, ahantona eo an-tsorony, sady manao satroka be sofina. Ny vehivavy kosa dia manao akanjom-behivavy lava sy misaron-doha ary mamatotra lamba manodidina ny andilana.