Beko
Ny beko dia karazan-kira malagasy ataon' ny Mahafaly sy ny Antandroy izay mampiavaka sy iombonan' ny kolontsain' izy ireo. Olona roa na telo indray mihira sady samy manana ny feony no miangaly azy io, amin' ny ankapobeny tsy arahina zavamaneno. Ny tonon' ity karazan' antsa ity dia matetika foronin' ny mpiangaly azy eo no ho eo. Antsoina ny mpibeko rehefa misy fahafatesana, nefa azo atao koa ny beko amin' ny lanonana sy fialamboly hafa. Ilay manao ny feo voalohany dia mamorona feonkira sy tonony eo no ho eo izay mamisavisa ny tetiaran' ny maty sy ny tantaram-piainany. Manampin-tsofina amin' ny fanondro ny mpibeko mandritra ny fiantsany. Rehefa mibeko dia manao feo avo ilay mitazona ny feo voalohany sady manao feo somary kentsona sy mangovitra. Ny mpanaraka kosa misy manao feo ambany. Mipetraka ambony, eo amin' ny tany na ambny tsihy ny mpibeko, ary amin' ny ankapobeny dia miara-mipetraka amin' ny mpihaino.