Aller au contenu

Barack Obama

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Barack Hussein Obama)
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka biôgrafia ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

I Barack Obama sy ny soniany

Teraka tamin'ny 4 Aogositra 1961 tany Honolulu, any Hawai, filoha faha-44 an'i Etazonia i Barack Obama. Zanaka Kenianina mainty sy amerikanina fotsy avy any Kansas, i Barack Obama ny filoha afrô-amerikanina voalohany indrindra any Etazonia. Ary nanatanteraka ny nofinofin'i Martin Luther King izy.

Tantaram-piainana

[hanova | hanova ny fango]

Teraka tany Honolulu (Hawai) i Barack Obama, ary lasa nipetraka tany Indonezia, nahazo diplôma tany amin'ny Oniversite ny Columbia sy any amin'ny faculté ny Harvard. Tamin'ny 1990, izy no amerikanina mainty (afro-american) voalohany nitondra ny Harvard Law Review. Mpiasa ho an'ny fiaraha-monina (community organizer, amin'ny fiteny anglisy) any amin'ny faritanàna atsimon'i Chicago tamin'ny taona 1980-1990, ary avy eo izy lasa mpisolo vava amin'ny zo taorian'n nahavitan'ny fianarany tao Harvard. Nampianatra ny zo ara-lalam-panorenana izy tany Chicago tamin'ny taona 1992-2004.

Filohan'i Etazonia

[hanova | hanova ny fango]
Preceded by Filohan'ny Etazonia faha-44 Succeeded by
George Bush Barack Obama
2009 - 2017
Donald Trump