Bajiry
Fiseho

Ny bajiry na bajirà dia karazana zavamaniry mamony maniry isan-taona ao amin' ny fianakaviana Poaceae, karazana voamadinika. Volena hahazoana ny voany azo hanina ity zavamaniry ity. Azon' ny olona sy ny biby fiompy hanina ny voany. Io no ambolena be indrindra amin' ny karazana ampemby sy ampembimbazaha. Ny anarany ara-tsiansa dia Pennisetum glaucum na Cenchrus americanus. Anisan' ny zana-pianakaviana Panicoideae, izay ao amin' ny fokon-javamaniry Paniceae, izy io.