Hankany amin'ny vontoatiny

Aron Ralston

Avy amin'i Wikipedia
Aron Ralston
Ankapobeny
AnaranaAron Ralston
Teraka27 Oktobra 1975
Toerana-
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaEtazonia
Asa :
Fiainana manokana

Aron Ralston dia injeniera, mpanoratra ny tantaran'ny fiainany mizaka ny

zom-pirenen'i Etazonia teraka ny 27 Oktobra 1975 tao Marion.

Zava - nitranga tamin'ny taona 2003[1]

[hanova | hanova ny fango]

  Nihitsoka nandritra ny 127 Ora tao ambany vato ny tanany ka notapahany

🔸Aron Ralston dia Amerikanina ''aventurier'' sy ''alpiniste'' , tena tia mandeha eny anivon’ny natiora. Tiany ny mandeha irery eny amin’ny toerana sarotra aleha, indrindra fa any am tany tsy misy olona sy be vato ianihana , any Utah, Etazonia no falehany matetika.

🔸Ny 26 aprily 2003, tamin’ny faha-27 taonany,  dia nankany Bluejohn Canyon, faritra be vatovato izay zara raha misy olona. Toy ny mahazatra azy, tsy nilaza tamin’olona izay halehany izy , fahazarana iray izay ho tonga loza ho azy anefa ity indray mitoraka ity .

🔸Raha iny nidina ny lalana tery kely tao amin’ilay canyon izy, dia niezaka nandeha teo anelanelan’ny  vato . Tsy nampoizina anefa fa nietsika tampoka ilay vato be rehefa voatehany , milanja 360 kilao eo eo ,ka tery tao ny tanany ankavanana.

🔸Tsy afaka mihetsika izy, tsy afaka niala. Irery tanteraka tany anaty korotambato tao. Ny tao anaty entany dia rano, sakafo kely , dia tady kely, camera sy antsy kely  . Ary ny tena olana  dia  tsy misy olona mahalala izay misy azy tamin'io fotoana io

1️⃣2️⃣ Andro 1-2 :  Niezaka nisikotra ilay vato , nikapoka  azy, nampiasa tady , fa tsy nety. Nihamafy ny fikorontanana ara-tsaina nanomboka teo . Nanomboka naka video  fisaorana ho an’ny fianakaviany sisa nataony ,satria nievitra izy hoe zay no farany .

3️⃣4️⃣ Andro 3-4 : Lany tsikelikely ny rano. Tena nanomboka tsy zaka  ny fanaintainana, nanomboka nahita zavatra mieloelo sahalan'ny olona mamo reny izy (hallucination) . Eo izy dia sady manisa andro sisa hiainany no sady  maka  video , lasa nanana  herin-tsaina tampoka zany nefa izy rehefa nahita anreo video voarakitra anatin'ilay camera hatramin'izay, nalainy video foana amin'izay izay zavatra nitranga tao .

5️⃣Andro 5 : Rehefa tafatatory ka nanofy izy dia nahita zaza lahy ,ary heveriny fa hoe mety ho zanany any amin'ny ho avy io , ary izany no nahatonga azy hieritreritra hoe : "Tsy afaka maty eto aho. Mila miaina aho."

🔸Tamin’izay izy no nanapa-kevitra hanapaka  ny tanany , zavatra efa niserana tao antsainy ihany zany  teo aloha ,fa saingy nievitra izy hoe mbola ho afaka ihany.  Ny olana nefa dia  tsy mahatapaka tanana ilay antsy kely ra toa ka hanapahana. Niezaka aloha izy nanapaka ny taolana ,,somary nisaoty mafimafy izy dia tapaka ilay taolana , avy eo nodidina tamin'ny antsy kely ny hoditra ,ny nofo ,sns ... Naharitra 1 ora ny fandidiana, nahatsiravina sy naharary tsy hay tantaraina hoy izy , nefa izany no hany làlana tokana hahavelomana

🔸Rehefa afaka, dia nofeheziny tamin'ilay ''tuyau'' kely fisotrony rano ilay tanany.

Mbola misy   10 km nefa vao tonga any amin'ny fiarany nefa ny rà mitete , ny tanana etsy marary . mbola nianika teo amin'ny 18 m teo eo ko nefa vao tena lalana mahitsy, fa vitany tamin'ny tanana ilany ihany  zany, avy eo dia niady tamin’ny hafanana sy harerahana ary ny anohanana izy .

🔸Tamin’ny fotoana tsy nampoizina nefa ,dia nisy fianakaviana iray Holandey  nahita azy , Eric sy Monique Meijer sy zanany lahy 13 taona, Andy. Nampandre haingana ny mpamonjy voina izy ireo, ary nisy helikoptera tonga naka azy afaka ora vitsivitsy .

👉Na dia very aza ny tanan'  i Aron Ralston ilany, dia tsy nitsahatra nanohy ny fiainany izy. Namerina nihanika tendrombohitra foana ihany,ary nampiasa tanana artifisialy izy , ary lasa nampalaza azy mihitsy aza ity raharaha ity .

👉Nosoratany tao amin’ny boky "Between a Rock and a Hard Place" (amin’ny teny frantsay : "Plus Fort Qu’un Rocher") ary tamin'ny  tamin’ny horonantsary "127 Hours"

👉Ny tantaran’i Aron Ralston dia porofon’ny fahavononana sy fitiavana ny fiainana rehefa tonga amin’ny faratampony ny fitsapana.

Mampianatra antsika fa raha mbola misy fanantenana, dia misy lalana hivoahana foana na dia amin’ny fomba tsy hay eritreretina aza.

✅ Aorian’izay:

[hanova | hanova ny fango]

Lasa mpitondra teny sy mpandahateny amin’ny fiainana sy fitondrana fanantenana amin’ny olona.

Nanoratra boky mitondra ny lohateny hoe "Between a Rock and a Hard Place" (2004), izay nahatonga ilay zava-niainany ho malaza.

Ny tantarany dia novaina ho sarimihetsika amin'ny anarana hoe "127 Hours" (2010), tantaran'i Danny Boyle miaraka amin'i James Franco amin'ny anjara Asa maha-Aron azy.

[2]✅ Mety hahaliana:

[hanova | hanova ny fango]

Na dia tamin’io tranga io aza dia tsy nijanona nanao fanatanjahan-tena sy fiakarana tendrombohitra i Aron.

Nahazo hery avy amin’ny traikefany mba hampianatra ny hafa hahay haniry ny fiainana sy ho be fankasitrahana.©️ Rohy nihindramina  tao amin’ny pejy: Tsy maintsy tafita aho

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  • Ao amin'i Freebase:
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

  1. GQ (Men of the Year)
  2. Carnegie Mellon University