Armand Gaétan Razafindratandra

I Armand Gaétan Razafindratandra dia kardinaly malagasy, arsevekan' Antananarivo tamin' ny taona 1994 hatramin' ny taona 2005. Teraka tamin' ny 7 Aogositra 1925 tao Ambohimalaza Miray eto Madagasikara ary maty tamin' ny 9 Janoary 2010 tao Mahajanga izy.
Zotram-piainany
[hanova | hanova ny fango]Fahazazana sy fahatanorany
[hanova | hanova ny fango]Teraka tamin' ny 7 Aogositra 1925 tao Ambohimalaza Miray ao akaikin' Antananarivo, eto Madagasikara i Armand Gaétan Razafindratandra. Efa governora tao ny raibeny. Razafindratandra dia nianatra tao amin' ny sekolin' ny paroasin' i Faravohitra. Nanohy ny fianarany tao amin' ny Seminera Madinika teny Ambohipo izy ary avy eo tao amin' ny Kôlejy St Michel, toeram-pampianaran' ny Zezoita, talohan' ny nianarany ny filôzôfia sy ny teôlôjia tao Ambatoroka.
Pretra
[hanova | hanova ny fango]Rehefa avy notokanana ho pretra tamin' ny 27 Jolay 1954 tao amin' ny Diôsezin' Antananarivo i Armand Gaétan Razafindratandra dia nalefa tany amin' ny Institut catholique de Paris mba ho manam-pahaizana manokana amin' ny pastôraly kateketika sy hanaraka fianarana momba ny siansa sôsialy.
Rehefa niverina tao amin' ny diôsezy niaviany izy, dia voatendry ho talen' ny fampianarana katesizy sy lehiben' ny fiadidiana ny sekolim-panjakana (aumôneries), sady vikera tao amin' ny katedraly. Voatendry ho lehiben' ny Seminera Madinika, ary taty aoriana ho lehiben' ny Seminera Lehibe tao Ambatoroka.
Eveka
[hanova | hanova ny fango]Voatendry ho Evekan' i Mahajanga izy tamin' ny 27 Avrily 1978, nohamasinin' ny kardinaly Victor Razafimahatratra tamin' ny 2 Jolay 1978. Voatendry ho Arsevekan' Antananarivo izy tamin' ny 3 Febroary 1994, toerana nohazoniny hatramin' ny 7 Desambra 2005, rehefa nisotro ronono noho ny taonany. Izy no nitarika ny Conférence épiscopale de Madagascar (Fiombonamben' ny Eveka eto Madagasikara) nanomboka ny tamin' ny taona 1997 ka hatramin' ny taona 2002.
Kardinaly
[hanova | hanova ny fango]Nataon' i papa Joany Paoly II ho kardinaly izy tamin' ny 26 Nôvambra 1994, nitondra ny anaram-boninahitra hoe kardinaly-pretra Santi Silvestro e Martino ai Monti. Nodimandry tany Mahajanga izy ny tamin' ny Asabotsy 9 Janoary 2010.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Jérôme Louis Rakotomalala - kardinaly no teo alohany
- Tsarahazana Désiré - kardinaly androany