Apôkalipsy kôptan' i Paoly

Avy amin'i Wikipedia

Ny Apôkalipsy kôptan' i Paoly dia asasoratra apôkaliptika gnôstika. Io no faharoa amin' ny famelabelarana dimy ao amin' ny Codex V ao amin' ny Vondrom-bokin' i Nag Hammadi, izay mandrafitra ny pejy faha-17 hatramin' ny faha-24 amin' ny pejy 85 ao amin' ilay kôdeksa. Amin' ny teny kôpta sahidika izy dia atao hoe ⲧⲁⲡⲟⲕⲁⲗⲩⲯⲓⲥ ⲙ̄ⲡⲁⲩⲗⲟⲥ. Ity lahatsoratra ity dia mamaritra kôsmôgônia gnôstika sy ny fandikana ny epistilin' i Paoly amin' ny alalan' ny fanehoana an' i Paoly Apôstôly ho mahery fo apôkaliptika. Azo zaraina telo ny vontoatin' ilay lahatsoratra: sehatry ny epifania sy sehatry ny fitsarana sy sazy ary fandehanana any an-danitra izay niakaran' i Paoly ho any amin' ny ambaratonga fahafolo amin' ny lanitra. Ny fototry ny fitantarana momba ny fiakarana dia ny nosoratan' i Paoly manokana ao amin' ny 2Kôrintiana toko faha-12. Mifanaraka amin' ny valentinianisma ny hevitra aseho ao amin' ilay lahatsoratra.