Aller au contenu

Bandar-e Anzali

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Anzali)

37°28′22″N 49°27′44″E / 37.4727777778°N 49.4622222222°E / 37.4727777778; 49.4622222222

Bandar-e Anzali
Velarantany NC
Isam-ponina 109 687 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna NC
Firenena  Iran
Faritany Gilan
Faritra NC

I Bandar-e Anzali na Anzali fotsiny (ny teny hee Bandar dia midika hoe "seranan-tsambo" amin' ny fiteny persana) (persana: بندر انزلی), fantatra amin' ny anarana hoe Bandar-e Pahlavi (persana; بندر پهلوی) nanomboka tamin' ny 1925 ka hatramin' ny 1980, talohan' ny Revôlisiôna Islamika tamin’ ny taona 1979, dia seranan-tsambo ao amin' ny faritanin’ i Gilan (na Guilan), any Iràna, eo amoron' ny Ranomasina Kaspiana, 41 km miala an'i Rasht ary 360 km miala an' i Teheran. Ny isan’ ny mponina ao aminy dia nitombo avy amin' ny 98 544 tamin' ny taona 1996 ka nankany amin' ny 110 643 tamin' ny taona 2006 ary 114 105 tamin' ny taona 2012. Ny Gilaky no tena maro anisa ao. Toerana amoron-dranomasina fandroana malaza ihany koa izy io.

I Bandar-e Anzali no seranan-tsambo lehibe indrindra any avaratra amin' i Iràna. Nosy lehibe iray antsoina hoe Mianposhteh sy ny tany manodidina azy izany. Mahasarika mpizaha tany ny fitsangantsanganana manamorona ny seranan-tsambo sy ny hefaka be honahona amin' ny renirano Sefid Rud.

Ny riakasia Anzali

I Mordab-e Anzali dia riakasia misaraka amin' ny Ranomasina Kaspiana amin' ny alalan' ny tandavan-tany akaikin' ny tanànan' i Bandar-e Anzali. Io riakasiaio, izay tena be trondro, dia voaloton' ny fako indostrialy.

Ankoatra ny asa lehibe an-tseranan-tsambo, io tanàna io sy ny faritra manodidina azy dia miavaka amin' ny famokaran ny kaviara.

Jeôgrafia

[hanova | hanova ny fango]

Ny laharam-pehintaniny sy ny laharan-jarahasiny dia 37.4727777778° Avaratra sy 49.4622222222° Atsinanana. Ny faritr' ora dia GMT+3:30.

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]